1 Haleloia. Mider, ianareo mpanompon'i Jehovah, Mider ny anaran'i Jehovah.

2 Isaorana anie ny anaran'i Jehovah Hatramin'izao ka ho mandrakizay.

3 Hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany No hoderaina anie ny anaran'i Jehovah.

4 Avo ambonin'ny jentilisa Jehovah; Ambonin'ny lanitra ny voninahiny.

5 Iza no tahaka an'i Jehovah Andriamanitsika, Izay mipetraka any amin'ny avo,

6 Nefa miondrika mijery Ny any an-danitra sy ny et? an-tany?

7 Manangana ny malahelo hiala amin'ny vovoka Izy Ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin'ny zezika, 

8 Mba hametraka azy ho naman'ny mpanapaka ny olony.

9 Mampitoetra tsara ny momba Izy, Fa mahatonga azy ho renin-jaza mifaly. Haleloia.
